2 Tantara 7:14 “ Raha ny oloko izay
nantsoina tamin'ny anarako ho avy
hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.”
.
Inona marina moa no tena
tadiavin’Andriamanitra?
***Miteny amin’ny olona Andriamanitra, misy zavatra tiany hampahafantarina antsika. Hivavaka ho an’ny firenena isika
fa misy zavatra takian’Andriamanitra
amintsika aloha.Indray indray diso fihevitra isika ka miheritreritra fa ho amboarin’Andriamanitra ity firenena ity ka ho sambatra ary ho lasa paradisa aza angamba, hisy ny toe-javatra hihatsara.
Ampahan’ny heritreritr’Andriamanitra
ihany izany. Fa raha izany fotsiny no heritreretintsika dia mitovy amin’izao tontolo izao ihany isika.
Voalaza ao amin’ny Epistily fa ny
fanjakantsika dia tsy ety an-tany fa any an-danitra. Koa raha izany fotsiny no jerentsika dia tokony hiova ny fijerintsika. Raha mijery ny zava-misy eran-tany isika dia efa akaiky ny fiavin’ny Tompo ary izany no tiany hojerentsika.
.
Filipiana 3:20 “ Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo.”
.
****NY OLANA :
Nahoana no tsy mety tanteraka io
tenin’Andriamanitra ao amin’ny 2Tantara 7:14 io ?
---Ohatra: Diniho ny tantaran’i Jona, nanao antso avo hivavaka sy hifady hanina ny Mpanjaka. Tsy nahatsindry ny fony Andriamanitra dia namangy ny firenena
ary nanova ny heviny. Nahoana ary ny amin’ity firenentsika ity?.
.
Jona 3:1-10
4 “ Ary Jona niantomboka nandeha tao antanàna làlana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive .”
8 “ Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny làlany ratsy sy ny fandozana eny an-tànany avy izy rehetra.”
9 “ Fa angamba hiverina ihany
Andriamanitra ka hanenina ary
hiala amin'ny fahatezerany
mirehitra, mba tsy ho lany ritra
isika?”
10 “ Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany
tamin'ny làlan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.”
.
Maharary ity firenentsika ity noho ny Kristiana sy ny Fiangonana.
.
*****Inona ary no aretiny? Ary inona no tena tadiavin’Andriamanitra?
.
Tafiditra ao anatin’ny velam-pandrikin’ny Satana ny Kristiana sy ny Fiangonana ary tena tsy mahatsiaro tena mihintsy.
Rehefa mivavaka isika dia mihaino
antsika Andriamanitra. Efa vonona ny hamaly ny vavaka foana Izy.
.
++Isaia 59:1 “ Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsylalodalovana, fa mahare; fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny
fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy .”
.
Fa misy toe-javatra izay manankana ny valim-bavaka tsy ho azontsika ao. Ho an’ny Kristiana izay mivavaka, ho anao manokana, ho an’ny tokan-tranonao, ny fianakavianao, ny manodidiana anao,…, ny firenenao, tsy
maintsy tokony hahafantatra ireo vela-pandrika izay ataon’ny devoly aloha ianao.
Ny tsy fahafantaran’ny Kristiana
maro ny anjara toerany eo
amin’ny maha ratsam-batan’i
Kristy azy.
Tsy mahalala izay toerana misy azy fa asaina manompo an’Andriamanitra,
mitory teny, mijoro vavolom-belona, dia samy manao izay heveriny fa mampandroso.
Ny tsy fahafantarana no mahatonga ny fisarantsarahana, miteraka ny korontana, ary izany dia manomboka any an-tokantrano.
Hataon’ny Devoly ny tsy hahalalantsika izay toerana misy antsika eo amin’ny maha ratsam-batana antsika.
Ny vatan’i Kristy no fitaovana
napetrak’Andriamanitra hanaparitahana ny filazan-tsara ary ny zavatra nokendreny dia ny hananan’ny tsirairay avy izany toerana izany.
Aza gaga ianao raha misy ny korontana fa vokatry ny tsy fahalala ireny.
Ny toerana misy ny Kristiana
Ny ankamaroan’ny Kristiana dia tsy
mandeha amin’ilay làlana natoron’i
Jesosy an’i Nikodemosy dia ny
FAHATERAHANA INDRAY , izay io no
dingana voalohany.
.
****Jaona 3: 3 “Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray [Na: ateraka avy any ambony.] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra .”
Ny ankamaroan’ny Kristiana dia zaza toetra, Kristiana ara-nofo, mifaninana. Kanefa dia mihevitra ny tenany fa efa lehibe.
Ny fahaterahana indray dia zava-panahy. Ny toe-panahy no ateraka, ilay maha izy azy ny olona, ilay fanahy ao anaty no miova ka hipetrahan’i Jesosy Kristy.
Ny fahaterahana indray no tsy maintsy hiaingana. Kanefa ny ankamaroan’ny olona dia vao manomboka dia tsy mahafantatra na efa teraka ao amin’i Kristy izy na tsia.
Ny olona nateraka indray dia manana hetaheta hivavaka, hanana firaisana ami’Andriamanitra ary hihaino ny
Tenin’Andriamanitra foana, izany no
.
RONONOM-PANAHY.
Mila miroso isika, fa ao amin’ny Baiboly dia misy ny atao hoe :
Nateraka Zaza ara-panahy,
Lehilahy lehibe sy vehivavy
lehibe .Manahaka an’I Kristy
Izany dia tokony ho fantatry ny
mpanompon’Andriamanitra.
Ny tsy fahalalana izany no mahatonga ny Kristiana mipetraka amin’ny toerana tsy tokony hisy azy ka lasa manaonao foana.
Alohan’ny hivavahantsika eo
anatrehan’Andriamanitra dia mila isika aloha mamantatra “ Aiza no dingana misy ahy? ”
Tsy vavaka “programme” fotsiny no
atao, fa vavaka hahitana fahombiazana . Nahoana ny firenen-kafa rehefa mivavaka mahita vokatra, fa maninona eto amintsika?
Mila mandinika ny toerana misy antsika isika, ka manomboka eo amin’ny tenako aloha izany.
Inona no anjara-toerana misy
ahy ?
Aiza no hametrahan’ny Tompo
ahy?
Ny tsy fahafantarana dia miteraka ny fitsitokotokoana, ny fifanenjehana ary ny
fifaninanana.
Eo amin’ny ratsam-batana eo amintsika moa efa nanaikitra ny tananao ve ny vavanao?, na efa niteny anao ve ny tanana ka nilaza hoe ampanaovy kiraro aho?
Ny Kristiana dia tokony hahalala izany tsara, ary raha tena tonga eo amin’ny anjara toerany misy azy ny tsirairay dia raha tafitohina ny tongotra dia sofosafoin’ny Tanana. Raha misy lavo ny
manodidina ahy dia ny tokony hataoko dia ny mivavaka ho azy sy ny mampahery azy, fa tsy hilaza hoe : mbola aiza ny hahazo an’io, kanefa dia samy Kristiana izao.
Aza mbola maika ny hivavaka ho
an’ny firenena aloha fa mivavaha ho an’ny tenanao manokana.
Aoka hiala ao amin’ny fandriky ny Devoly isika raha te-hivavaka ho an’ny firenena.
Ny tian’Andriamanitra hotanterahantsika dia rehefa mivavaka dia hahita
fahombiazana. Mba fantatrao ve, aiza ho aiza eo amin’izany ratsam-batana izany no misy anao?
Tsy ny asa fanompoana no mamaritra ny fahalehibiazanao fa ny fahalehibazana, ny toe-panahy no mamaritra ny asa.
Diniho fa ireo Mpianatra 12 dia 3 taona no nampianarin’ny Tompo isan’andro. Ka rehefa tapitra izany dia nomen’Andriamanitra ny anjara toerana misy azy avy izy ireo.
Isika ihany koa, tian’Andriamanitra isika hahafantatra tsara mba tsy
hisalovanantsika ny asan’ny hafa.
Samy Kristiana dia mifamoaka devoly, mifanaratsy, izany ve dia fanahy iray? Na iza na iza tokony hahafantatra ny toerana misy azy eo amin’ny maha ratsam-batan’i Kristy azy. Izay isika vao afaka mivavaka ho an’ny firenena.
.
*****/INONA NO TOKONY HATAO?
1. Diniho ny tenanareo.
Zava-tsarotra ny mandinika ny
tena; ny mandinika ny hafa dia
mora. Kanefa io no lalana.
Kristy ve ao anatiko ao? Ny fiainako dia fiainan’i Jesosy, mitondra an’i Jesosy aho, koa hoentiko aiza ary Izy?
Raha ato anatiko marina Jesosy dia tsy hanao tsinotsinona ny rahalahiko, sy ny manodidina ahy aho satria izany no toetran’i Jesosy.
Aza maika ny hivavaka ho an’ny firenena fa mety ho kivy isika raha tsy mahita vokatra.
1. 2. Ataoko toy ny tsy nahazo aho,
hoy Paoly
.....Filipiana 3:12-14 “Tsy toy ny efa
nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazon'i Kristy Jesosy ahy. Ry rahalahy, tsy mbola ataoko [tsy nataoko] efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao
aoriana ka miezaka hanatratra izay
zavatra eo aloha,eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony [ho any ambony] ao amin'i Kristy Jesosy. ”
Aza miheritreritra mihintsy hoe efa ela be aho, efa mpitondra aho. Fa raha izany no ataonao dia tratran’ ny fandriky ny Devoly ianao.
.
Dingana tokony hatao:
Ny fahaterahana indray
Ny firosoana amin’ny fahazazana
Ny fahalebiazana
Ny fanahafana an’i Kristy, Izy no
modely ho an’ny mpitarika rehetra.
1. 3. Ny fandraisana fanapahan-
kevitra hentitra
Ny zavatra andrasan’Andriamanitra
amintsika eto ampanarahana izao
fampianarana izao, rehefa tena tonga saina isika, dia ny hiteny tahaka an’i Paoly hoe:
1Korintiana 13:11 “Fony mbola zaza
aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.”
Ity fotoana androany ity dia handraisana fanampahan-kevitra ny hiala amin’ny toetran-jaza izay voalaza ao amin’ny
1Korintiana 3 ary hiditra amin’ny
voalazan’ny 1Korintiana toko faha-12,13 sy 14 ary Efesiana 4 .
Raha tiatsika ny hahita vokatra rehefa hivavaka ho an’ny firenena dia manomboka mivavaka ho an’ny
tenantsika tsirairay avy aloha vao
mihitatra tsikelikely.
Raha fantatrao ny anjara-toeranao dia afaka miara-mivavaka ny Kristiana rehetra. Mety tsy mitovy ny Fiangonana,
ny fikambanana fa izay no maha ratsana azy. Fa isika kosa Fanahy iray eo anatrehan’Andriamanitra.
.
.
FEHINY :
Nahoana no tsy mety tanteraka io
Tenin’Andriamanitra ao amin’ny
2Tantara 7:14 io ?
Antony : Ny tsy fahafantaran’ny Kristiana maro ny anjara toerany eo amin’ny maha ratsam-batan’i Kristy azy.
Inona avy ireo toerana tokony hisy ny Kristiana ?
Nateraka indray
Zaza ara-panahy,
Lehilahy lehibe sy vehivavy lehibe
Manahaka an’i Kristy
Aiza ho aiza ary no dingana misy ahy
ankehitriny ary inona no anjara-toeana hametrahan’ny Tompo ahy?
Ny tokony hatao:
1. 1. Diniho ny tenanareo.
2. 2. Ataoko toy ny tsy nahazo aho,
hoy Paoly
3. 3. Ny fandraisana fanapahan-
kevitra hentitra
mercredi 6 septembre 2017
Kristy ,Kristianina
Je t'avoue
Jamais je n’aurai cru que c’était possible,
Que cela puisse m’arriver un jour,
De ressentir cette sensation qui m’attire,
Ce que les gens appeler amour.
.
J'aimerai t’avouer mon amour,
Pour ne pas me perdre dans les rêves,
Cet amour que je porte dans mon cœur,
Comment pourrai-je te le faire ressentir.
Est-ce que je peux enfin te le dire,
Tout l’amour que je porte dans mon cœur,
Que je ne peux pas le garder pour moi seul,
Et voir le manque planer sur mon cœur.
Je sais que c'est maintenant l’occasion,
Pour te le dire et partager avec toi,
Cette sensation qui m’attire et m’aspire,
Mais est-ce que j’ai le courage de te le dire?
Ce n'est pas toujours facile,
Avouer ses sentiments d’amour,
Mais pour moi le plus difficile,
C’est de ne pas te dire je t’aime.
Je t'aime.
Mon cœur, je t’adore
Il n’y a pas une seconde qui passe
Sans que je ne pense à toi
Mais je préfère les moments
Où tu es dans mes bras
Ce moment de bonheur
Je te l’ai réservé
Le meilleur des moments
Ou tu occupes tout mon univers
Tu me raconte ton amour
Que tu m’aimes de tout ton cœur
Que tu veux être avec moi pour toujours
Et surtout que tu veux notre bonheur
Alors chaque fois que je te regard
Mon cœur s’emballe, et bat plus vite
Mes pensées font défiler ton visage
Et mon âme s’illumine de bonheur
Et chaque jour qui passe
Mon amour pour toi grandi encore
Je t’aime et je t’aimerai encore plus
Mon cœur, je t’adore.
POURQUOI JE T'AIME
Pourquoi je t'aime...
je creuse dans mon cœur chercher la réponse
Dans le plus profond de mon âme je trouverai:
"J'irai jusqu’au fin fond de la terre"
.
Pourquoi je t'aime...
La réponse est juste devant moi
Dans la lumière de ton sourire
Dans le charme de ton regard
Dans la douceur de tes caresses
La réponse est juste devant moi
.
Pourquoi je t'aime...
Je sais maintenant pourquoi je t'aime.
Mon cœur bat plus vite quand je te vois
Je me sens sur un nuage quand je prends ta main
Je me sens marcher sur un arc-en-ciel
.
Pourquoi je t'aime...
ce n’est pas seulement pour ces raisons-là
Il y a d’autre que je ne te raconte pas
Le plus important c’est que je t’aime
C’est toi mon amour que j’ai choisi
Et que tu m'as dit oui
Pour toujours...
samedi 2 septembre 2017
mardi 15 août 2017
Elsie-Tiako loatra ianao
Nataoko ampy ahy ireo ’zay natolotrao
Nolazainao fa hoe avy ao am-po
Ary ampy hifaliako f’efa natokana ho ahy
Ilay fitia ’zay nandrasako
Tsy misy ilaiko raha ny ankoatra anao
Fa ny masaka an-tsaiko dia ianao
Tiako loatra ianao, tsy foiko tokoa
Na ho mafy na ho mora no iarahantsika roa
Fa tiako loatra ianao, tsy foiko tokoa
Tsy haharesy lahatra ahy ’zay milaza fa ianao
tsy ho ahy
Tsy hitady intsony aho, hafa hasolo anao
F’efa ianao no andry iankinako
Ary omeko ny foko, tsy hiandry tambiny aho
Fa hafoiko, eny, ny amiko
Tsy misy ilaiko raha ny ankoatra anao
Fa ny masaka an-tsaiko dia ianao
Fa tiako loatra ianao, tsy foiko tokoa
Na ho mafy na ho mora no iarahantsika roa
Fa tiako loatra ianao, tsy foiko tokoa
Tsy haharesy lahatra ahy ’zay milaza fa ianao
tsy ho ahy
Tonony sy feony: Elsie
Programmation: Haja Rakotonimanga
jeudi 10 août 2017
NY FIAINANA AO AMBADIKY NY FAHAFATESANA
Maro ny olona tsy mino ny fisian’ny fiainana ao
ambadiky ny fahafatesana; ao aza ireo sahy milaza fa ny
fanahin’ny olona dia tsy mety maty ary mijanona ety an-
tany hatrany ka rehefa tonga ny fahafatesana dia
mifindra amin’olona hafa izany ho fitohizan’ny fiainany.
Etsy andaniny koa, dia betsaka ny olona mino fa rehefa
tonga ny fahafatesana dia mbola azo atao ny manao
fombafomba ara-pivavahana samihafa ho fangatahana
amin’Andriamanitra mba handraisany ny fanahin’ilay
maty; maro vokatr’izay ny olona mihazakazaka manao
izay afany amin’ny filalaovan-dratsy sy fanaranam-po
amin’ny filàna samihafa mandritry ny fahavelomany,
satria mieritreritra fa rehefa maty izy dia mbola azon’ny
olona mbola velona atao ny mangataka
amin’Andriamanitra mba hamonjena ny fanahiny.
Ity fampianarana ity dia haneho amintsika araka izay
ambaran’ny Soratra masina, misy marina ve ny fiainana
ao ambadiky ny fahafatesana? Inona marina no zava-
misy aorian’izany? Ahoana no fomba hiatrehana ny
fahafatesana?
I. OHATRA AMIN’IREO FISEHOAN-JAVATRA VOARAKITRA
AO AMIN’NY BAIBOLY MANAMARINA NY FISIAN’NY
FIAINANA AORIAN’NY FAHAFATESANA
1. 1. Ny Baiboly dia manambara teny ilazana ny
fiainan-tsi-hita, izany hoe ny toerana ipetrahan’ny
fanahy aorian’ny fahafatesana: SHEOLA ao amin’ny
Testamenta taloha, ary HADESY ao amin’ny Testamenta
vaova:
« Fa arehitra ny afon’ny fahatezerako, Ka mandoro
hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra,
Sady mandevona ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy
Ary mampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra
aza. » (Deotoronomia 32:22 )
« Hiverina ho any amin’ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy
fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino
an’Andriamanitra.[Heb. Sheola] » (Salamo 9:17 )
« ary raha nijaly tao amin’ny fiainan-tsi-hita* izy ka
niandrandra, dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny
sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka
16:23)
« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy
tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa,
dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14 )
2. Mazava ny valin-teny nataon’i Jesosy tamin’ilay olon-
dratsy nahantona tamin’ny hazo fijaliana: “anio no
hihaonanao Amiko any Paradisa”.
« Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny
fanjakanao Hianao. » (Lioka 23:42 )
« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa:
Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka
23:43)
3. Manamafy izany koa ny fisehoan-javatra hitan’i
Stefana, ilay martiora kristiana voalohany, talohan’ny
nahafatesany rehefa notoraham-bato izy:
« Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny
lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy
nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, » (Asan’ny
Apostoly 7:55 )
« dia nanao hœ: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary
ny Zanak’olona mitsangana eo
ankavanan’Andriamanitra. » (Asan’ny Apostoly 7:56 )
4. Ny Apostoly Paoly koa dia nakarina ho any amin’ny
Paradisa ary nandre fiteny mahafinaritra:
« fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo
tenenina sady tsy tokony holazain’olona. » (2 Korintiana
12:4 )
5. Ary koa ny momba an’i Lazarosy, ilay mahantra teo
an-tratran’i Abrahama sy ilay mpanankarena tany
amin’ny fiainan-tsi-hita rehefa samy maty izy ireo:
« Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ny anjely ho any
an-tratran’i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena,
dia nalevina; » (Lioka 16:22 )
« ary raha nijaly tao amin’ny fiainan-tsi-hita* izy ka
niandrandra, dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny
sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka
16:23)
6. Ankoatra ireo, ny Testamenta vaovao dia ahitana
andinin-tsoratra masina manambara ny fahatsaran’ny
ho avin’ny mpino na ireo olona izay efa nandray ny
famonjena marina aorian’ny fahafatesana:
« fa sanganehana eo anelanelan’izy roroa aho, maniry
hiala ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra
izany; » (Filipiana 1:23 )
« eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitœtra ao
amin’ny tena, fa ny hitœtra any amin’ny Tompo. » (2
Korintiana 5:8 )
Hitantsika araka ireo voalaza eo ambony ireo ny
fahamarinana manambara ny fisian’ny fiainana aorian’ny
fahafatesana. Famitahana avy amin’ilay ratsy ny filazana
ny mifanohitra amin’izany, ary koa ny fanambarana fa
mbola azo atao ny manova ny toe-javatra aorian’ny
fahafatesana. Mazava ny tenin’i Abrahama tamin’ilay
lehilahy nijaly tany amin’ny fiainan-tsi-hita ny amin’ny
tsy fahafahany manao na inona na inona ho an’ireo
rahalahiny dimy izay mbola velona: mila mihaino sy
mankato ny Teny momba ny famonjena dieny mbola
velona rehefa tsy te-handova ny fahafatesana sy ny
fijaliana mandrakizay: « Fa hoy Abrahama taminy:
Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino
ireo izy. » (Lioka 16:29 )
« Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy
miala amin’ny maty hankany aminy, dia hibebaka
izy. » (Lioka 16:30 )
« Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’i
Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na
dia misy mitsangana amin’ny maty aza. » (Lioka 16:31 )
Raha ireo andinin-tsoratra masina ireo dia manatsiaro
tena ary mahatsapa ny fangirifiriana na ny
fahasambarany ny olona aorian’ny fahafatesany. Hoy
tokoa mantsy ilay mpanankarena: « Ary izy niantso ka
nanao hœ: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko,
ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ny
rantsan-tanany amin’ny rano mba hampangatsiaka ny
lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo
ity. » (Lioka 16:24).
II. NY MOMBAN’NY FITSARAN’I JESOSY
Ho avy ny fotoana hiatrehan’ny olona tsirairay ny
FITSARAN’I JESOSY KRISTY, izay tsy azo ivalozana sy
marina arakaraka ny nataon’ny tsirairay avy: « Fa isika
rehetra dia samy tsy maintsy ho hita tœtra miharihary
eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona
rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay
nataony, na tsara na ratsy. » (2 Korintiana 5:10 )
Tsy miankina amin’ny fahabetsahan’ny asa fanasoavana
natao, ary tsy azo sandaina vola ny vokatr’izany
fitsarana izany, fa kosa miankina amin’ny finoana an’i
Jesosy Kristy sy ny asam-pamonjena vitany teo amin’ny
hazofijaliana sy ny fahatongavana tamin’ny fibebahana
na tsia, ary ny fankatoavana ny Teniny.
MARINA SY MAHITSY ary tsy mitanila ny fitsaran’i Jesosy
Kristy:
« Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony;
…. » (Apokalypsy 19:2a )
Hihorohoro izay rehetra tsy nankato ny Teny
fampianaran’i Jesosy mahakasika ny fomba atao
ahafahana mandositra ny fahatezerana ho avy; tsy mba
hatahotra izany fitsarana izany kosa anefa izay rehetra
mpino marina, tena zanak’Andriamanitra:
« Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay
tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa
tsy mba matahotra ny fitsarana. » (Jakoba 2:13 )
III. ANAO NY SAFIDY
Mandritry ny fahavelomana aty an-tany araka izany no
fanomanana ny fiainana any ankoatra; andraikitry ny
olona tsirairay mandritry ny fahavelomany no manao
izay hahatsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra
mandritra izany ary tsy misy na inona na inona azo atao
intsony aorian’izay.
Anankiray amin’ny làlana ROA ihany no hisy ny olona
aorian’ny fahafatesana, ary ao anatin’ny fahavelomana
no anaovana safidy sy andraisana fanapahan-kevitra
momba izany, araka ny voalaza ao amin’ny bokin’ny
Daniela toko faha 12 ary ny andininy faha 2 manao hoe:
« Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany
no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay,
ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa
mandrakizay ».
1. Ny fiainana MANDRAKIZAY, izay iarahana amin’i
Jesosy Kristy mandrakizay, tsy misy fitomaniana intsony,
tsy misy fitarainana na fangirifiriana intsony, feno
fahasambarana:
« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony;
ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo,
na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra
taloha. » (Apokalypsy 21:4)
« Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia
ny fiainana mandrakizay. » (1 Jaona 2:25)
« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola
mitœtra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny
rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia
ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. » (1
Tesaloniana 4:17)
« Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana
mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy
amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy
Tompontsika. » (Romana 6:23)
2. Ny fahaverezana MANDRAKIZAY, any amin’ny helo,
miaraka amin’i Satana, feno fijaliana sy henatra ary latsa
mandrakizay:
« Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany
amin’ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy
ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro
amin’alina mandrakizay mandrakizay ireo. » (Apokalypsy
20:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay
mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na
alina izay miankohoka eo anoloan’ny bibi-dia sy ny
sariny, na izay mandray ny mariky ny
anarany. » (Apokalypsy 14:11)
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny
mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody
ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga
rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy
mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana
faharoa. » (Apokalypsy 21:8)
« dia olona izay hiharan’ny famaliana marina dia
fahaverezana mandrakizay avy amin’ny fanatrehan’ny
Tompo sy ny voninahitry ny heriny, » (2 Tesaloniana
1:9)
« dia hatsipiny any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra
afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-
nify. » (Matio 13:50).
IV. JESOSY KRISTY EFA NANDRESY NY FAHAFATESANA
Toy ny olona rehetra, ny tena mpino, efa nandray ny
famonjena marina dia tsy mahalala rahoviana no
hifarana ny fiainany eto amin’ity tany fandalovana ity;
mety mandalo ilay fahafatesana ara-nofo izy araka izany
raha mbola tsy tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra
Jesosy. Saingy kosa, manana antoka tanteraka izy araka
ny voalaza ao amin’ny Soratra masina ny amin’ny
fiainany ao ambadiky ny fahafatesana ara-nofo, satria
efa resin’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ny
fahafatesana:
« fa naharihary ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Kristy
Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ny
fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany
mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana
mandrakizay; » (2 Timoty 1:10).
VONONA tanteraka araka izany ny tena kristiana hiatrika
ny fahafatesana, satria efa nentin’i Jesosy ny fitsarana sy
ny fanamelohana rehetra: « [Ny famonjen’i Kristy ny
mino Azy, izay miantomboka amin’izao fiainana izao ary
mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin’izany
dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy
Jesosy. » (Romana 8:1)
Tsy mampatahotra ny mpianatr’i Kristy araka izany ny
fahafatesana, ary tsy loza ho azy fa vao mainka aza
manokatra ho azy làlana ho any amin’ny fiainana tsara
lavitra, ary varavarana misokatra hankanesany
mandrakizay any an-danitra, izay tsy misy olana, na
fahavizanana, na fijaliana intsony, ary ahitana fiadanana
sy fahatoniana ary fahasambarana mandrakizay.
Raiso dieny izao àry ny fanapahan-kevitra ny amin’ny
hoavy mandrakizainao; tokana no fomba ahazoana izany
tombontsoa lehibe tsy voasanda na inona na inona
izany, dia Jesosy Kristy, ny finoana ny asam-pamonjena
izay vitany teo amin’ny hazo fijaliana:
« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana
ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-
tsy amin’ny alalako. » (Jaona 14:6)
« Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra
Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy
Kristy, Izay efa nirahinao. » (Jaona 17:3)
« Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no
omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany
izany fiainana izany. » (1 Jaona 5:11)
« Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa
izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny
fahatezeran’Andriamanitra no mitœtra eo
aminy. » (Jaona 3:36)
vendredi 4 août 2017
TSY MISY TOA ANAO
Ny andro iray tsy maha eto anao;
Mahatonga ahy hihira
Fa iza moa no hoe toa anao
Raha mbola olon-tiana
Ny tantaram-piainako samy irery
Sy ny vavam-bahoaka tsy miery
Fa dia indro ianao ry Tiana
Tena tsapako ny fonao
Tsy misy toa anao tsy misy toa anao
Tsy misy toa anao fa ianao ianao irery
Tsy misy toa anao raha mbola fitia ê!
Fa zovy n’izan’iza tsy mahavita ê!
Tsy mahavita toy ny nataonao
Ny foko rehefa nahazo anao
Tsy mila olon-kafa
Ny rehetrarehetra izay nataonao
Am-poko tsy voafafa
Fa mba zovy no mahavita toy ireny
Tsy holazaiko fa aoka ho ahy samy irery
Iza moa no hantenaiko
Amin’izay rehetra mitia?
-
Jamais je n’aurai cru que c’était possible, Que cela puisse m’arriver un jour, De ressentir cette sensation qui m’attire, Ce que les gens...
-
Nataoko ampy ahy ireo ’zay natolotrao Nolazainao fa hoe avy ao am-po Ary ampy hifaliako f’efa natokana ho ahy Ilay fitia ’zay nandrasako ...