Maro ny olona tsy mino ny fisian’ny fiainana ao
ambadiky ny fahafatesana; ao aza ireo sahy milaza fa ny
fanahin’ny olona dia tsy mety maty ary mijanona ety an-
tany hatrany ka rehefa tonga ny fahafatesana dia
mifindra amin’olona hafa izany ho fitohizan’ny fiainany.
Etsy andaniny koa, dia betsaka ny olona mino fa rehefa
tonga ny fahafatesana dia mbola azo atao ny manao
fombafomba ara-pivavahana samihafa ho fangatahana
amin’Andriamanitra mba handraisany ny fanahin’ilay
maty; maro vokatr’izay ny olona mihazakazaka manao
izay afany amin’ny filalaovan-dratsy sy fanaranam-po
amin’ny filàna samihafa mandritry ny fahavelomany,
satria mieritreritra fa rehefa maty izy dia mbola azon’ny
olona mbola velona atao ny mangataka
amin’Andriamanitra mba hamonjena ny fanahiny.
Ity fampianarana ity dia haneho amintsika araka izay
ambaran’ny Soratra masina, misy marina ve ny fiainana
ao ambadiky ny fahafatesana? Inona marina no zava-
misy aorian’izany? Ahoana no fomba hiatrehana ny
fahafatesana?
I. OHATRA AMIN’IREO FISEHOAN-JAVATRA VOARAKITRA
AO AMIN’NY BAIBOLY MANAMARINA NY FISIAN’NY
FIAINANA AORIAN’NY FAHAFATESANA
1. 1. Ny Baiboly dia manambara teny ilazana ny
fiainan-tsi-hita, izany hoe ny toerana ipetrahan’ny
fanahy aorian’ny fahafatesana: SHEOLA ao amin’ny
Testamenta taloha, ary HADESY ao amin’ny Testamenta
vaova:
« Fa arehitra ny afon’ny fahatezerako, Ka mandoro
hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra,
Sady mandevona ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy
Ary mampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra
aza. » (Deotoronomia 32:22 )
« Hiverina ho any amin’ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy
fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino
an’Andriamanitra.[Heb. Sheola] » (Salamo 9:17 )
« ary raha nijaly tao amin’ny fiainan-tsi-hita* izy ka
niandrandra, dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny
sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka
16:23)
« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy
tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa,
dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14 )
2. Mazava ny valin-teny nataon’i Jesosy tamin’ilay olon-
dratsy nahantona tamin’ny hazo fijaliana: “anio no
hihaonanao Amiko any Paradisa”.
« Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny
fanjakanao Hianao. » (Lioka 23:42 )
« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa:
Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka
23:43)
3. Manamafy izany koa ny fisehoan-javatra hitan’i
Stefana, ilay martiora kristiana voalohany, talohan’ny
nahafatesany rehefa notoraham-bato izy:
« Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny
lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy
nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, » (Asan’ny
Apostoly 7:55 )
« dia nanao hœ: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary
ny Zanak’olona mitsangana eo
ankavanan’Andriamanitra. » (Asan’ny Apostoly 7:56 )
4. Ny Apostoly Paoly koa dia nakarina ho any amin’ny
Paradisa ary nandre fiteny mahafinaritra:
« fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo
tenenina sady tsy tokony holazain’olona. » (2 Korintiana
12:4 )
5. Ary koa ny momba an’i Lazarosy, ilay mahantra teo
an-tratran’i Abrahama sy ilay mpanankarena tany
amin’ny fiainan-tsi-hita rehefa samy maty izy ireo:
« Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ny anjely ho any
an-tratran’i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena,
dia nalevina; » (Lioka 16:22 )
« ary raha nijaly tao amin’ny fiainan-tsi-hita* izy ka
niandrandra, dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny
sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka
16:23)
6. Ankoatra ireo, ny Testamenta vaovao dia ahitana
andinin-tsoratra masina manambara ny fahatsaran’ny
ho avin’ny mpino na ireo olona izay efa nandray ny
famonjena marina aorian’ny fahafatesana:
« fa sanganehana eo anelanelan’izy roroa aho, maniry
hiala ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra
izany; » (Filipiana 1:23 )
« eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitœtra ao
amin’ny tena, fa ny hitœtra any amin’ny Tompo. » (2
Korintiana 5:8 )
Hitantsika araka ireo voalaza eo ambony ireo ny
fahamarinana manambara ny fisian’ny fiainana aorian’ny
fahafatesana. Famitahana avy amin’ilay ratsy ny filazana
ny mifanohitra amin’izany, ary koa ny fanambarana fa
mbola azo atao ny manova ny toe-javatra aorian’ny
fahafatesana. Mazava ny tenin’i Abrahama tamin’ilay
lehilahy nijaly tany amin’ny fiainan-tsi-hita ny amin’ny
tsy fahafahany manao na inona na inona ho an’ireo
rahalahiny dimy izay mbola velona: mila mihaino sy
mankato ny Teny momba ny famonjena dieny mbola
velona rehefa tsy te-handova ny fahafatesana sy ny
fijaliana mandrakizay: « Fa hoy Abrahama taminy:
Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino
ireo izy. » (Lioka 16:29 )
« Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy
miala amin’ny maty hankany aminy, dia hibebaka
izy. » (Lioka 16:30 )
« Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’i
Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na
dia misy mitsangana amin’ny maty aza. » (Lioka 16:31 )
Raha ireo andinin-tsoratra masina ireo dia manatsiaro
tena ary mahatsapa ny fangirifiriana na ny
fahasambarany ny olona aorian’ny fahafatesany. Hoy
tokoa mantsy ilay mpanankarena: « Ary izy niantso ka
nanao hœ: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko,
ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ny
rantsan-tanany amin’ny rano mba hampangatsiaka ny
lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo
ity. » (Lioka 16:24).
II. NY MOMBAN’NY FITSARAN’I JESOSY
Ho avy ny fotoana hiatrehan’ny olona tsirairay ny
FITSARAN’I JESOSY KRISTY, izay tsy azo ivalozana sy
marina arakaraka ny nataon’ny tsirairay avy: « Fa isika
rehetra dia samy tsy maintsy ho hita tœtra miharihary
eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona
rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay
nataony, na tsara na ratsy. » (2 Korintiana 5:10 )
Tsy miankina amin’ny fahabetsahan’ny asa fanasoavana
natao, ary tsy azo sandaina vola ny vokatr’izany
fitsarana izany, fa kosa miankina amin’ny finoana an’i
Jesosy Kristy sy ny asam-pamonjena vitany teo amin’ny
hazofijaliana sy ny fahatongavana tamin’ny fibebahana
na tsia, ary ny fankatoavana ny Teniny.
MARINA SY MAHITSY ary tsy mitanila ny fitsaran’i Jesosy
Kristy:
« Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony;
…. » (Apokalypsy 19:2a )
Hihorohoro izay rehetra tsy nankato ny Teny
fampianaran’i Jesosy mahakasika ny fomba atao
ahafahana mandositra ny fahatezerana ho avy; tsy mba
hatahotra izany fitsarana izany kosa anefa izay rehetra
mpino marina, tena zanak’Andriamanitra:
« Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay
tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa
tsy mba matahotra ny fitsarana. » (Jakoba 2:13 )
III. ANAO NY SAFIDY
Mandritry ny fahavelomana aty an-tany araka izany no
fanomanana ny fiainana any ankoatra; andraikitry ny
olona tsirairay mandritry ny fahavelomany no manao
izay hahatsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra
mandritra izany ary tsy misy na inona na inona azo atao
intsony aorian’izay.
Anankiray amin’ny làlana ROA ihany no hisy ny olona
aorian’ny fahafatesana, ary ao anatin’ny fahavelomana
no anaovana safidy sy andraisana fanapahan-kevitra
momba izany, araka ny voalaza ao amin’ny bokin’ny
Daniela toko faha 12 ary ny andininy faha 2 manao hoe:
« Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany
no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay,
ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa
mandrakizay ».
1. Ny fiainana MANDRAKIZAY, izay iarahana amin’i
Jesosy Kristy mandrakizay, tsy misy fitomaniana intsony,
tsy misy fitarainana na fangirifiriana intsony, feno
fahasambarana:
« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony;
ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo,
na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra
taloha. » (Apokalypsy 21:4)
« Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia
ny fiainana mandrakizay. » (1 Jaona 2:25)
« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola
mitœtra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny
rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia
ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. » (1
Tesaloniana 4:17)
« Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana
mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy
amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy
Tompontsika. » (Romana 6:23)
2. Ny fahaverezana MANDRAKIZAY, any amin’ny helo,
miaraka amin’i Satana, feno fijaliana sy henatra ary latsa
mandrakizay:
« Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany
amin’ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy
ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro
amin’alina mandrakizay mandrakizay ireo. » (Apokalypsy
20:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay
mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na
alina izay miankohoka eo anoloan’ny bibi-dia sy ny
sariny, na izay mandray ny mariky ny
anarany. » (Apokalypsy 14:11)
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny
mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody
ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga
rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy
mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana
faharoa. » (Apokalypsy 21:8)
« dia olona izay hiharan’ny famaliana marina dia
fahaverezana mandrakizay avy amin’ny fanatrehan’ny
Tompo sy ny voninahitry ny heriny, » (2 Tesaloniana
1:9)
« dia hatsipiny any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra
afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-
nify. » (Matio 13:50).
IV. JESOSY KRISTY EFA NANDRESY NY FAHAFATESANA
Toy ny olona rehetra, ny tena mpino, efa nandray ny
famonjena marina dia tsy mahalala rahoviana no
hifarana ny fiainany eto amin’ity tany fandalovana ity;
mety mandalo ilay fahafatesana ara-nofo izy araka izany
raha mbola tsy tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra
Jesosy. Saingy kosa, manana antoka tanteraka izy araka
ny voalaza ao amin’ny Soratra masina ny amin’ny
fiainany ao ambadiky ny fahafatesana ara-nofo, satria
efa resin’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ny
fahafatesana:
« fa naharihary ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Kristy
Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ny
fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany
mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana
mandrakizay; » (2 Timoty 1:10).
VONONA tanteraka araka izany ny tena kristiana hiatrika
ny fahafatesana, satria efa nentin’i Jesosy ny fitsarana sy
ny fanamelohana rehetra: « [Ny famonjen’i Kristy ny
mino Azy, izay miantomboka amin’izao fiainana izao ary
mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin’izany
dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy
Jesosy. » (Romana 8:1)
Tsy mampatahotra ny mpianatr’i Kristy araka izany ny
fahafatesana, ary tsy loza ho azy fa vao mainka aza
manokatra ho azy làlana ho any amin’ny fiainana tsara
lavitra, ary varavarana misokatra hankanesany
mandrakizay any an-danitra, izay tsy misy olana, na
fahavizanana, na fijaliana intsony, ary ahitana fiadanana
sy fahatoniana ary fahasambarana mandrakizay.
Raiso dieny izao àry ny fanapahan-kevitra ny amin’ny
hoavy mandrakizainao; tokana no fomba ahazoana izany
tombontsoa lehibe tsy voasanda na inona na inona
izany, dia Jesosy Kristy, ny finoana ny asam-pamonjena
izay vitany teo amin’ny hazo fijaliana:
« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana
ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-
tsy amin’ny alalako. » (Jaona 14:6)
« Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra
Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy
Kristy, Izay efa nirahinao. » (Jaona 17:3)
« Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no
omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany
izany fiainana izany. » (1 Jaona 5:11)
« Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa
izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny
fahatezeran’Andriamanitra no mitœtra eo
aminy. » (Jaona 3:36)
jeudi 10 août 2017
NY FIAINANA AO AMBADIKY NY FAHAFATESANA
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)
-
Jamais je n’aurai cru que c’était possible, Que cela puisse m’arriver un jour, De ressentir cette sensation qui m’attire, Ce que les gens...
-
Nataoko ampy ahy ireo ’zay natolotrao Nolazainao fa hoe avy ao am-po Ary ampy hifaliako f’efa natokana ho ahy Ilay fitia ’zay nandrasako ...
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire